Fampisehoana goavana sy miavaka no atolotry ny tarika Rossy ny mpankafy sy ny reny amin’ny alahady izao etsy Antsonjombe manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Hifandimby amin’io fotoana io ireo gadona samihafa na ireo efa nahalalana ny tarika hatrizay na ny tsy mahazatra loatra koa. Miainga hatrany amin’ny gadona “Folk acoustique” izany arahan’ny Reggae, ny Kaiamba, ny Gospel araka ny fanaovan’ny Malagasy azy ary ny Tapôlaka. Hampiavaka ny seho ihany koa ny fampiaraham-peon’i Josephine sy Djarina mpifaninana tamin’ny “The One” sady mpandihy rahateo koa. Tahaka ny mahazatra dia handray anjara koa i Mathieu, ilay Frantsay miangaly an’Ikalasoa sy Babanjo mpihira mpitendry sy gitara teratany Italiana. Nasain’ny tarika koa ry Lousfah, Ramora Favori, Dr JB Junior, Liva Jacks, ary Backom. Ho fanomezana manokana ireo reny dia tapakila iray ihany dia mahatafiditra ny vehivavy iray mitondra zanaka roa. Fa amin’io andro io koa ny hivoaka ny CD roa vaovao sy DVD iray an’ny Tarika Rossy. Ao anatin’izany ny «Symphonie pour mes Mamans» izay “slow” sy “ballade” iarahana amina «orchestre symphonique».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.