Ny 25 aprily tolakandro ho avy izao no hanatanteraka fampisehoana goavana etsy Antsahamanitra ny tarika Ny Ainga. Vaky sehatra no lohahevitra nosafidian’ny tarika tamin’ity hetsika miavaka ity ary mampanantena izy ireo fa seho goavana sy mahafa-po no hatolotra ny mpankafy amin’io andro io. Raha ny fanazavana ihany dia hetsika hisantatra ireo fampisehoana maro hotontosain’ny tarika amin’ity taona ity io fampisehoana io ary manantena izy ireo fa ho henika olona tahaka ny mahazatra ny fampisehoana hokarakaraina. Raha tsiahivina dia fahombiazana hatrany no azo tamin’ireo hetsika rehetra nokarakarain’ny tarika hatramin’izay ary feno olona hatrany, eny na tamin’ny fotoan’ny krizy nandalovan’ny firenena aza. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tarika dia efa feno ny fandaharam-potoana amin’izao. Ny Media Consulting no miara-miasa aminy. Manana ny lazany sy ny toerany eo amin’ny sehatry ny zava-kanto ny tarika Ny Ainga ary miavaka amin’ny gadon-kirany amin’ny fampiarahana ny hira evanjelika sy ny hiran’izao tontolo izao. Ny taona 1987 no nitsangana ny tarika Ny Ainga ka ilay hira mitondra ny lohateny hoe “te hamangy” no nandeha voalohany tamin’ny onjam-peo tamin’izany fotoana. Ny taona 1994 kosa no tontosa ny fampisehoana voalohany tao amin’ny Salle d’oeuvre any Mahitsy. 50 000 Ariary ny vola noraisin’ny tarika tamin’izay. Amin’izao fotoana kosa, tsy tambo isaina ny mpankafy ny tarika ary tsy mifidy taona na sokajin’olona izany.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.