Hiova filamatra kely ny tarika Rheg mpanao rock amin’ny famaranana ny fankalazana ny faha-15 taona niorenany. Tsy ho eny amin’ny sehatra mahazatra eny Antsahamanitra no hanatanterahany izany ny 8 novambra tolakandro izao fa ho etsy amin’ny trano fanaovam-pety CCESCA Antanimena.
Fandrefesan-javatra no anton’izany, hoy Rakotonirina Rega filohan’ny tarika. Manana izay mari-pandrefesana azony hatao avokoa amin’ny fiantseharana amin’ireny toeram-pilanonana toa an’Antsahamanitra sy Antsonjombe na ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy zava-kanto etsy Mahamasina ny mpankanto rehetra. Izahy tarika Rheg koa amin’ny maha mpiangaly anay ny gadona hard rock dia miangaly koa ny jazz sy slow ary ny gadona vaovao ankehitriny. Mila sehatra hafa noho izay nahazatra hatrizay izay mba ahafana mivohy ny kanto malagasy. Marihina fa na dia tamin’ny taona 2000 aza no niforona ny tarika Rheg, i Rega filohany kosa dia efa hatramin’ny taona 1997 no niangaly ny rock niaraka tamin’ny tarika hafa. Tsy mampaninona ny lehilahy ny miangaly ny rock ao anatin’ny fanaovany ny asa maha mpitsara azy ankehitriny. Mankamamy ny tarika mahay maka ny fon’ny mpanjifa sy mahay mikajy ny maha izy azy toy ny tarika Ambondrona ny tenany amin’ny ankapobeny. Hisy fivarotana VCD live Rheg amin’io fotoam-pamaranana ny faha-15 taona io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.