Amin’ny alatsinain’ny Paska, araka ny vaovao voaray no hanolotra fampisehoana miavaka ny tarika «Kiaka» ka etsy amin’ny farihy masay no hanatanterahana izany.
Mikasika ny rakikira kosa dia tsy mbola misy mihitsy aloha hatreto noho ny hasarotry ny fiainana ary anisan’ny sarotra rahateo ny «auto production» amin’izao fotoana.
Mpanakanto fanta-daza eo amin’ny sehatry ny mozika rock i Nini, mpihiran’ny tarika Kiaka. Andrianony Herinirina no tena anarany ary ny kalon’ny fahiny koa dia tena ankafiziny, hira sokajiany ao anatin’ny hira tsy mety tonta. Manan-janaka roa ny tenany ary nivelona tamin’ny maha mpanakanto azy, 25 taona izay. Mahavelona mantsy ny asa maha mpanakanto raha ny fanazavany ihany ary nantitranteriny ny hoe «samy manana ny maha izy azy ny tsirairay». Zavatra iriany sy mahafinaritra azy kosa ny miaraka amin’ny namana na mandeha mivoaka kely any ambanivolo, maka rivotra madio.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.