Hifampitaona amin’ny mpankafy azy etsy amin’ny AFT Andavamamba indray amin’ny alahady 3 septambra ho avy izao ny tarika Ambondrona ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taona niorenan’ny Alliance Française.
Noho ny tarika Ambondrona efa niara-niasa tamin’ny AFT nandritra ny fankalazana ny faha-65 taonany, raha araka ny fantatra, no antony nisafidianan’ny AFT azy ireo. Eo ihany koa ny maha tarika malaza ankafizin’ny tanora azy eo amin’ny sehatry ny mozika. Hira manodidina ny 25 isa no hovetsoin’izy ireo, araka ny fanazavan’i Beranto, iray ao anatin’ny tarika. Natao mirary ny vidim-pidirana, araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny AFT. Efa vonona ny hiatrika ny fampisehoana tanteraka ny tarika Ambondrona. Efa hihazakazahana ihany koa ny fividianana ny tapakila ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.