Nifarana omaly alakamisy 21 Aogositra ny fanadinana bakalôrea manerana ny nosy. Ho an’ny ao amin’ny Faritra amoron’i Mania dia hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto maro no miandry ireo tanora, anisan’izany ireo alim-pandihizana isan-karazany ao Ambositra.
Nanomboka omaly dia efa feno hipoka avokoa ireo toeram-pandihizana. Mbola andrasan’ny maro koa ny hetsika Volambetohaka andiany faha-12 hatao any Ambalasoaray Imadiala ny 29 Aogositra hatramin’ny 01 septambra izao. Any Fandriana kosa no hanaovana ny JMJ tanora ao amin’ny diôsezy Ambositra hanomboka ny alakamisy 28 aogositra ho avy izao. Ny fampisehoana ara-javakanto toy ny hataon’ny mpanakanto Nina’s ao Fandriana anio zoma no handravaka izany hetsika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.