Loisirs

Taom-baovao Malagasy 2010 : Nahitana taratra ny fihavanana sy ny firaisankinan’ny samy Malagasy


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Nifarana tamim-pomba ofisialy omaly talata 16 martsa rehefa naharitra roa andro ny taom-baovao Malagasy 2010 nankalazaina teny amin’ny Rovan’Ambohimanga.

Nampiavaka ny hetsika tamin’ity indray mitoraka ity ny firaisankinan’ny samy Malagasy izay namelona indray ilay fihavanana lalim-paka ao am-pon’ny olona notronin’ireo foko avy any amin’ny faritra maro sy ny avy eto an-toerana. Anisan’izany ireo Ampanjaka sy Tangalamena dimy mianadahy izay samy nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny hetsika tahaka izao ho famerenana amin’ny laoniny indray ny kolontsaina Malagasy. Anisan’ny fototra iray nanimba ny firenena mantsy ny fanaovana zinona izany kolontsaina izany, hoy ihany izy ireo ka nampitotongana ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka ao aminy. Ankoatra azy dimy mianadahy ireo dia saika tazana teny an-toerana ihany koa ireo mpanankato maro toa an-dRa-Georges mpitsoka sodina, Rasoalalao kavia avy any Ampahimanga… izay nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fankalazana izao taom-baovao Malagasy izao. Toraka izany ireo mpianatra avy amin’ny sekoly maro eto an-drenivohitra…

Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny kolontsaina Randriamorasata Charles. Nandray ny vahiny teo am-pahatongavana kosa ny Ben’ny tanànan’Ambohimanga Rova Ravoninjatovo Fidimalala. Tsiahivina fa teny amin’ny vohitr’Ambohidrabiby no natomboka ny lanonana afak’omaly alatsinainy 15 martsa. Teny an-toerana no notsenaina ny afo tsy maty izay nentina nitety ireo Fokontany maro nahitana vahoaka an’aliny. Notohizana teny amin’ny rovan’Ambohimanga tamin’ny alalan’ny tsimandrimandry ny lanonana nony alina ary nofaranana tamin’ny fafy rano sy ny vary amin-dronono notondrahan-tantely ary ny zara hasina (fizarana salohim-bary) izany omaly. Ny 03 aprily taona 2011 indray no hankalazana ny taom-baovao Malagasy manaraka saingy eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana kosa no hanatontosana izany. Marihina fa ho hita ao anatin’ny tetiandron’ny Trano Koltoraly Malagasy izay mpikarakara manomboka izao ny datin’ny taom-baovao Malagasy mandra-pahatongan’ny taona 2018.

 
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT