Loisirs

Tafita Any Nantes ny 26 jona


  • Talata 18 Mey 2010


Hafa kely ny fankalazan’ny tarika Tafita ny fetin’ny Fahaleovantena amin’ity taona ity. Raha efa re tsiliantsofina teo aloha fa tsy hankalaza ny fetim-pirenena eto an-toerana ny lehilahy dia azo antoka izao fa any Nantes marina ny mpanakanto no hanatontosa fampisehoana ny alin’ny 26 jona ho avy izao. Tsotra ary mazava ny lohahevitra voizina mandritra ny hetsika, dia ny fankalazana ny fahadimam-polo taona nahazoan’ny Malagasy ny fahaleovantena izany. Na dia any ampitan-dranomasina aza no hanaovana ny fampisehoana dia ny tarika amin’ny endriny feno no hiaraka hanatontosa izany. Tsy ny Tafita irery akory no nisafidy ny hiondrana any ivelany mandritra ny fetim-pirenena fa maro ireo mpanakanto malaza amin’ny gadona tropikaly tahaka an’i Tsiliva sy i Jerry Marcoss izay nisafidy ny hiaka-tsehatra any andafin’ny riaka mandritra ny fetin’ny 26 jona, amin’ity taona 2010 ity.

 Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT