Raikitra, tapa-kevitra tanteraka ny hiverina anatin'ny kianjan'ny hira sy ny mozika ny tarika Sylange Kilalaky. Tarika ahitana ireo andriambavilanitra miangaly ny kilalaky.
Hampiavaka ny fiverenana ny fampiasana anatin'ny tarika ny kabôsy izay tsy afa-misaraka amin'ny fiangaliana ny kilalaky. Mampiavaka ny tarika "Sylange kilalaky" ny fahitana ireo andriambavilanitra mihira, miantsa sady mandihy izay fepetra takiana ihany koa amin'ny filalaovana ny kilalaky. Tsy nahitana fiovana firy ny mpikambana anatin'ny tarika tao anatin'izay roa taona nakany bahana izay. Hanamarika ny fiverenany an-tsehatra ny famoahana ireo vazo vaovao be toy ny "Biby mifankatia" sy ny "Sômanay". Ny hanandratra avo hatrany ny kilalaky eto Gasikara ka hatrany dilambato no tanjona, ho an'ny tarika. Tsy mitsahatra ny mikaroka ny fomba hanatsarana ny kilalaky rahateo ry Sylange Kilalaky izay andriambavilanitra voalohany sahy naneho ny kilalaky an-tsehatra amin'ny alalan'ny dihy sy ny
hira. Hanao tohivakana ny seho ato ho ato. Anisan'ireny ny cabaret, etsy amin'ny Le Glacier, ny faran'ity herinandro ity sy ny fanokafana ny "Mafana ririnina", eny amin'ny Club Nautique Ivato, ny Alatsinain'ny pentekôty izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.