Loisirs

Sarimihetsika malagasy : Miala any ny «Malok’ila 8 jours en France»


  • Zoma 26 Martsa 2010

Mihazakazaka ny famokarana horonantsary ho an’ny orinasa Scoop Digital. Raha vao tsy ampy iray volana akory mantsy izay no nivoahan’ny horonantsary Malok’ila 7 teny anivon’ireo efitrano fandefasana horonantsary manerana ny Nosy dia efa manomana ny fanodinana ny tohin’ity andian-tantara mahatsikaiky ity sahady ankehitriny ny ekipa.

«Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy dia avoaka miaraka manerana ny Nosy ny 30 martsa izao ny vcd mirakitra ny Malok’ila 7. Hanainga avy hatrany mankany Frantsa ireo mpilalao fototra ny ampitson’io, izany hoe ny 31 martsa, hanatontosa ny ‘Malok’ila 8 jours en France’», hoy i Mamitiana, talen’ny Scoop Digital. Mpilalao 13 no handrafitra ny delegasiona raha 25 andro kosa ny faharetan’ny dia any an-toerana. Efa nanome sahady izay ho endrikendriky ny fizotry ny tantara i Gerard na Randrenja, anisan’ny mpilalao fototra : “Tody amin’ny tanjona iriany ihany Rajao izay iaraha-mahalala fa naniry mafy tokoa ny handeha any ivelany. Ankoatra izay dia misy ramatoa antsoina hoe Delphine efa miandry an’i Pastera any Frantsa any”. Feno dia feno ny fandaharan’asan’ny Scoop Digital any an-toerana satria ankoatra ny fanodinana ny ‘Malok’ila 8 jours en France’ dia voaasa hanentana ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina RNS izay fihaonana fanaon’ny teratany Malagasy monina any Eoropa isan-taona koa ny ekipan’ny Malok’ila. Tafiditra amin’ny fandaharam-potoana koa ny fampahafantarana ireo vokatra rehetra.

Manomboka izao dia ny orinasa Scoop Digital mihitsy no hanafatra ireo vcd ampiasainy noho ny fanamarihana azony avy amin’ny mpankafy izay mitaraina noho ny fahasimban’ny vokatra na dia orizinaly aza. Nomarihin’i Mamitina fa ny kapila amidin’ireo mpaninjara sasany eto amintsika mihitsy no efa simba na efa nampiasaina ka tsy mateza.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT