Loisirs

Saraha Georget Rabearisoa Kandida ben’ny tanŕna eto Antananarivo ?


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Nisafoaka ramatoa Saraha Georget Rabearisoa, filohan’ny antoko Maitso naneho ny alahelony nandritra ny fihaonan’ny vondrona Ambodivona tamin’ny mpanao gazety ny zoma alina teo teny amin’ny hotely Carlton

 

. Nivaivay ny fanakianana nataon’ity filohan’ny antoko Maitso ity nanoloana ny  fihetsiky ny fanjakana izay tsy nanome alalana  ny vondrona Ambodivona  hanao ireo tolotanana na teleton tany Toliara sy tany Mahajanga. Fihetsika izay notsenain’ny mpanatrika ny fotoana tamin’ny tehaka mirefodrefotra toa te hanambara fa  mpikambana mavitrika amin’ity vondrona Ambodivona ity ny tenany. Tao ho ao mantsy dia nandeha ny feo fa toa manao fandeha politika misabaka ramatoa Saraha Rabearisoa ka nahalasa saina ny mpiara-dia aminy sasany. Ahiahy izay nodisoan’Atoa Hajo Andrianainarivelo, filohan’ny Malagasy Miara-Miasa  marindrano.” Efa miaraka amin’ny vondrona Ambodivona izy izao ary tsy tokony hatao mahagaga loatra ny ny zava-misy fa ny mpanao  politika tsy afaka miolonolona, hoy ny fanazavany. Tsilian-tsofina  ihany koa moa no nandrenesana hatramin’izao fa mety ho anisan’ny kandida ho mpilatsaka hofidina ho ben’ny tanànan’Antananarivo ity filohan’ny Antoko Maitso  ity.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT