Nosokafana tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Mahamasina haharitra telo andro, ilay hetsika Salon de la mode et de la beauté, karakarain’ny El Cure Madagascar.
Trano eva manodidina ny 100 no mandray anjara amin’izany, ahitana ireo efa matihanina amin’ny sehatry ny lamaody sy ny fikarakarana endrika amam-bika rehetra eto amintsika. Tanjona ny hahafahana mampivoatra ireo karazana orinasa voakasik’izany ankoatra ny fampahafantarana ny mpanjifa ireo karazana produit manara-penitra azo hikoloana ny vatana mba ho tombontsoan’ny rehetra. Misy araka izany ny varotra fampirantiana ireo karazam-bokatra vokariny, ho an’ireo mpandray anjara ka anisan’ireny ny akanjo lamaody, ireo karazana kojakoja ao an-tokantrano manaraka ny hiaka farany…Manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora alina ny hetsika isan’andro. Marihina moa fa anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany ny gazety Jejoo sy Tia tanindrazana hanakaikezany hatrany ny mpanjifany no sady hampahafantarana ny fisian’ny gazety sy hakana ny hetahetan’ny mpamaky ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.