Loisirs

«Salon de l’esthétique et du bien être» Be mpitady ny «Collection Jejoo» amin’ny habeny lehibe kokoa


  • Alatsinainy 17 Mey 2010

Nifarana omaly alahady tao amin’ny garan’i Soarano ilay hetsika “Salon de l’esthétique et du bien être» rehefa naharitra roa andro. Nahasarika vehivavy maro ny hetsika izay niavaka tamin’ny tolotra samihafa, tahaka ny torohevitra maimaimpoana mikasika ny fikarakarana vatana.

Mpandray anjara miompana amin’ny tontolon’ny vehivavy ny ankamaroan’ny hita teny an-toerana. Ny sabotsy no tena be mpitsidika ary tsy ny vehivavy irery no liana tamin’izany. Nahafinaritra ny hetsika ary manantena ny hisian’ny tahaka izao matetika ireo mpandray anjara sasany. 

Ho an’ny “Collection Jejoo” manokana dia ny sabotsy, andro voalohany nisokafan’ny hetsika dia efa nahasintona olona betsaka. Misy karazany maro moa ireo fitafy vokariny. Anisan’ny nahalafosana betsaka indrindra tamin’izany ireo fitafy voatokana ho an’ny tovovavy kely sy ny vehivavy mitondra vohoka. Tsikaritra tamin’izany fa saika lehibe vatana kokoa ny ankamaroan’ny vehivavy Malagasy amin’izao fotoana. Araka izany dia hifantoka amin’ny fanomezana fahafaham-po ny tsirairay ny “Collection Jejoo”, izay tsiahivina fa mamoaka fitafy vaovao isam-bolana. Ao anatin’ny vanim-potoana fanapariahana ny vokatra eran’Antananarivo ny “Jejoo” amin’izao fotoana. Tafiditra ao anatin’ireo toeram-pivarotana lamaody sivy mivarotra izany ny “Fancy Boutique” etsy Tsiazotafo sy ny magazay Itokiana Analakely ary ny “Irresistyle” Ambatomitsangana.
 
Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT