Sacha Bam Bam ! “Sacha” avy amin’ny hoe : Natacha ary ny “Bam Bam”, ilay feo miraondraonan’ny gitara beso.
Mpanakanto andriambavilanitra mikaroka sy manajary mozika vaovao avy amin’ny fitrandrahana ireo kanto eto Dago sy ny famolahana ny kantom-bahiny toy ny soukouss, “coupé décalé”, rap, ragga… mba hanome mozika kanto sy vaovao tanteraka. Raha atao jery ankapobeny, mirona betsaka mankany amin’ny fanambarana ireo ban-kira mafana anatin’ny vazo iray ny ketri-kanton’ny tovovavy izay ravahan’ny soradihy maneho fahalalahana sy fitiavana fandrosoana nohajariany dia ny “Bam Bam dance” izany. Vazo iray, araka izany, hahenoana gadon-kira maroloko voarindra amin’ny endrika kanto ho an’ny mozikan’i Sacha Bam Bam.
Tsara ny mihazona ny mozikan-drazana, hoy i Sacha Bam Bam fa ilaina ihany koa ny miezaka mitondra fikarohana hatrany izay ahazoana manome endrika kanto kokoa azy ireny ahafahana mitondra izany eo amin’ny tsenan’ny mozika maneran-tany. Nandalina ny sehatry ny famoronana lamaody ihany koa i Sacha Bam Bam izay nosalorany ny anarana hoe : “Bam Bam Style” ireo fianjaika entiny anatin’ny fanaovana mozika. An-dalana ho amin’ny fiketrehana ny kapila mangirana hirakitra vazo miisa 10 ankehitriny ny tarika Sacha Bam Bam izay misy mpikambana miisa 10. Mialoha izany, etsy amin’ny Le Glacier Analakely ny tarika sy i Djedje Manjary no hiantsehatra haneho ny karoka nataony, ny alin’ny alarobia 21 mey ho avy izao.
Ampahany amin’ny vazo efa tsy vahiny amin’ny maro ny “Tsy mivaky loha” tazana eny amin’ny fahitalavitra maro. Tsy ho ela ihany koa ny famoahana ny “Itondra haravoagna” voarindra amin’ny gadona “zouk machine” iray amin’ireo taokanto handrafitra ilay rakipeo horaiketina an-kapila mangirana. Hanao tohivakana hitety faritra maro toy ny any Toamasina, Nosy Be, Antsiranana… ny fampisehoana ho an’i Sacha Bam Bam izay mpiray tampo amin’ilay mpanakanto fanta-daza Tence mena sy i Djedje Manjary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.