Loisirs

Repoblika faha-4 Natao amboletra ny fananganana azy


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

Efa nampoizina ny zava-misy amin’izao fotoana izao eto Madagasikara taorian’ny fanaovana amboletra ny fananganana ny Repoblika faha-4 tamin’ny taona 2010. Iaraha-mahalala fa noteren’ireo mpanongam-panjakana ho masaka toa voalobo-jaza mantsy ny fandrafetana ny Lalàmpanorenana sy ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Ndeha ampahatsiahivina kely ary ireo tarehimarika manodidina iny referandaoma navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny 6 desambra 2010 iny tamin’ny fitantanan-tokana notarihan’ny ekipan-dRajoelina izay niofo ho Mapar amin’izao fotoana izao : 7.151.223 no isan’ny mpifidy voasoratra anarana, 3.761.977 no isan’ireo olom-pirenena nanefa ny adidiny, vato fotsy sy maty 179.423, vato manan-kery 3.582.544. Natao makotrokotra rahateo ny filazana fa 74,19% no nanao eny ary 25,81% no nitsipaka izany. Raha avadika ho tarehimarika ireo dia Malagasy 2.657.962 no nifidy ny Lalàna fototra iainan’ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa mahery ankehitriny. 4 taona hiditra amin’ny faha-5 taona aty aoriana, tsy mahagaga raha manjaka tanteraka ny tsy fanajana lalàna sy fanaovana amboletra, araka ny voambolana ankalazain’ireo mpiray petsapetsa tamin’ny fotoan’androny saingy lasa mahita ny tsy mety rehetra hataon’ny mpitondra fanjakana. Tsara tokoa ny tara noho ny tsy misy, hoy ny fiteny vahiny izay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT