Loisirs

«Rencontres nationales du film court» Hisy ny fanofanana momba ny famokarana sy fanoratana horonantsary


  • Alarobia 07 Aprily 2010

Raikitra indray ny «Rencontres nationales du film court». Sivy andro no faharetan’ny hetsika amin’ity andiany faha-5 ity izay misokatra amin’ny fomba ofisialy ny zoma 9 aprily izao ary hifarana ny faha-17-n’ny volana.

Tantara fohy miisa 46 no namaly ny antson’ny mpikarakara saingy sivy amin’ireo ihany no hifaninana amin’ity indray mitoraka ity. Anisan’ireny ny «Acte» novokarin’i Jose Rakotobe sy ny «Manja loatra» an’i Andry Rarivonandrasana. Azon’ny olon-drehetra atrehana ny hetsika rehetra. Ny alakamisy15 aprily manomboka amin’ny 7 ora hariva no hanolorana sy handefasana mifandimby ireo horonantsary mifaninana ireo. Manampahaizana  iraisam-pirenena maro momba ny sehatry ny sarimihetsika kosa no mpitsara. Fanasana fandraisana anjara amin’ny ‘Festival off courts’ any Trouville Frantsa no valisoan’izay mibata ny laharana voalohany, fanasana hiatrika ny ‘Festival Afrikamera’ any Berlin ny faharoa raha fanasana any amin’ny ‘Festival international d’Afrique et des îles de la Réunion’ kosa ny fahatelo. Sambany tamin’ity no niditra lalina tamin’ny hetsika ny CFI izay manome valisoa manokana na ‘prix spécial CFI’ ka andefasana amina firenena 70 ny horonantsary safidiany. Mampiavaka ny andiany faha-5 ity koa araka ny fanazavan’i Laza talen’ny «Rencontres nationales du film court» ny fahafahan’ny mpijery misafidy izay horonantsary tiana. Tontosaina etsy amin’ny dôme Rta ny 17 aprily ny lanonana fampahafantarana ireo vokatra mendrika indrindra.

Fa ankoatra ny fifaninanana dia misy ihany koa ny atrikasa sy fikaonandoha isan-karazany voalahatra amin’ny fandaharam-potoana. Anisan’ireny ny atrikasa momba ny sarimihetsika afrikanina sy malagasy sy fizarana traikefa ataon’ireo mpamokatra horonantsary avy ao La Réunion sy Soisa. Misy andrarezina maro avy any ivelany koa hanome fiofanana ireo mpamokatra sarimihetsika Malagasy. Rajaonarivelo Raymond monina any Frantsa, ohatra, dia hanentana sy hanofana momba ny famokarana horonantsary raha hampianatra momba ny fizotry ny tantara na «scénario» kosa i Mama Keita. Hanao jery kina momba ny tontolon’ny sarimihetsika afrikanina kosa i Catherine Ruelle mpanao gazety ao amin’ny Rfi. Hanabe voho ny fari-pahaizan’ireo mpamokatra sarimihetsika vao misandratra eto an-toerana ny traikefa entin’ireo za-draharaha isany ireo ka manentana ny fandraisana anjaran’ireo mpamokatra ny mpikarakara.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT