Loisirs

Rasoaniaina Malalatiana Rodobe no hamerenana haingana an’i Dada


  • Alarobia 11 Mey 2011


 Nohamafisin-dRamatoa Rasoaniaina Malalatiana filohan’ny «Plateforme des Associations» eny amin’ny hetsiky ny ara-dalàna Magro Behoririka omaly ny amin’ny fanaterana taratasy hotanterahana rahampitso 12 mey eny Andranomena izay nolazainy fa fakana bahana ny amin’ny 13 mey 2011. «Ao anatin’io hetsika rodobe io», hoy izy, «dia tsy misy adino ny fitakiantsika hatrizay, toy ny fiverenan’i Dada haingana an-tanindrazana. Ilay Madagasikara firenena efa nandroso nefa dia lasa firenena farany mahantra ankehitriny. Nolazain’ny FAT taloha fa tsy ekena raha mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranontsika ny vahiny. Rehefa tsy tafavoaka intsony anefa ry zareo dia isan’andro any ivelany no atao anton’asa.

Aiza ilay hambompom-pirenena maha Malagasy ?». «Taratasy fisaorana no atolotsika ho an’ny Amerikanina satria tena lahimatoan’ny demokrasia tokoa izy», hoy i Olivier Rakotovazaha, Nambarany fa efa nisy fangatahana fahazoana alalana amin’izany ka andrasana ny valin-teny. Tsy avy amin’ny mpitarika koa ny hevitra amin’ity Rodobe ity fa avy amin’ny vahoaka, hoy hatrany ny Sekretera jeneralin’ny MFM.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT