Loisirs

Rasoa Kininike Mbola ahajo ka afaka iray na roa volana vao halevina


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Raha voalaza fa any Tongobory Betioky Atsimo no handevenana ny nofomangatsiakan’ilay mpanakanto malaza Rasoa Kininike maty tamin’ny alatsinainy 22 septambra noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy sy ireo mpiaraka aminy tany Antsororoky distrikan’Antsalova dia

tsy mbola tanteraka izany ankehitriny, araka ny nambaran’ny depiote Rabenirina Jean Jacques izay anisan’ny nandray andraikitra feno tamin’ny fitondrana ny nofo mangatsiakany tany amin’ity tanindrazany ity. Mbola ahajo araka ny fomba Tandroy sy Mahafaly ny razana ankehitriny, hoy ity depiote ity, eo am-piandrasana ny fanamboarana fasana vaovao ho azy izay haorina eo amoron-dalana any Tongobory ka mety haharitra eo amin’ny iray na roa volana eo vao ho vita izany. Nambaran’ny depiote Rabenirina Jean Jacques fa feno hipoka hatrany ny toerana nandalovan’ny nofo mangatsiakan-dRasoa Kininike rehefa niala teto Antananarivo. Singanina amin’izany ny tao Fianarantsoa, Toliara nanatanterahana fampisehoana goavana ihany koa, ny tany Andranovory, Vatolatsaka, Besely ary Tongobory. Tena nampiseho firaisankina ny zanak’i Toliara manontolo, hoy ity solombavambahoaka ity na hatrany Antsalova ka hatrany Tongobory indrindra izahay tompon-pahoriana. Nahamaivana fahoriana koa ny fiaraha-mientan’ny Malagasy tsy an-kanavaka manerana ny Nosy sy ny fitondram-panjakana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT