Tsy ilana vazaha mainty mpanelanelana ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana Marc sy ny filohan’ny FAT Rajoelina Andry fa Malagasy 2 na 3 dia efa ampy, hoy Ralison Roger avy ao amin’ny HPM.
Raisiny ho fanambaniana ny Malagasy ny fiandraketan’ny SADC io fanelanelanana io, araka ny traikefa niainany tany Gaborone satria tery vay manta no hataon’ireo vahiny ireo, araka ny fanazavany. “Rehefa mahita marimaritra iraisana izy mianaka vao miara-midinika amin’izy ireo ny SADC ary antsoina avy eo ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra manome ny heviny. Rava maina ny fivoriana raha idiran’ny SADC avy hatrany. Tsy tombontsoany koa ny hampilamina an’io satria efa nametraka biraom-pifandraisana eto ry zareo”, araka ny nambaran’ity olom-boantendry avy amin’ny vondrona HPM ity.
Nasiany resaka koa ny toerana hihaonana. Manohana ny fanatanterahana izany eto Madagasikara ny tenany izay manambara fa azo atao ny manatontosa izany any Nosy Be na Sainte Marie. Samy nosy ihany koa nahoana no atao any Maorisy na Seychelles nefa isika manana, hoy izy nametra-panontaniana. Raha toa anefa ka tsy maintsy any ivelany no atao ilay fihaonana dia Malagasy ihany no manelanelana. Miantso ny andaniny sy ny ankilany hikatsaka ny tombontsoam-pirenena koa Ralison Roger ary hitandrina manoloana ireo mpanatsatso sy mpisolelaka marobe manodidina azy ireo avy satria izay no efa nampivarina an-kady ny firenena hatrizay.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.