Loisirs

Raharaha Kolonely Lylison Sahiran-tsaina ny zandarimariam-pirenena


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Manoloana ny fitakian’ny loholona Lylison René de Rolland Urbain, ny amin’ny hanamboarana ny fiarany izay vaky fitaratra nipoahan’ny

baomba  mandatsa-dranomaso ny talata 29 martsa lasa teo dia nanambara ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tsy mbola manana valin-teny homena  aloha izao. « Azonay atao tokoa ny mamory mpanao gazety mba hanomezanay ny fomba  fijerinay saingy amin’ny fahitanay azy dia tsy tokony hotarihina lava be intsony iny resaka iny. Tranga mpiseho amin’ny toe-javatra toy ireny ny fitaratra vaky na zavatra hafa mety ho simba, ny olona mety haratra  fa amin’izao fotoana izao kosa dia efa manokatra  fanadihadiana ny amin’ny antony nahatonga ireny rehetra ireny izahay mba ahafahana misoroka ny any aoriana », hoy ny fanazavan’ny jeneraly Ramarozatovo Anthony, tompon’andraikitry ny fampahalalam-baovao sy ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Raha nanontaniana kosa ny jeneraly Rakotomahanina Florens dia tsotra ny valin-teniny : “Tsy manana fanambarana atao mahakasika an’iny raharaha iny ny tenako fa  aleo ny lehibeko sy ny prefen’ny polisy no anontanianareo. Ny asako no nataoko ary niarahana nahita ny zava-nisy dia izay”. Ny teo anivon’ny prefen’ny polisy kosa dia nanipika mazava fa “tsy nahazo alalana ny hamory vahoaka eny an-dalambe ny loholona Lylison. Toy izany koa ny  fampiasana fanamafisam-peo. Ny hametraka voninkazo no nahazoany alalana ka izany no nahatonga ireny fiketsiky ny mpitandro ny filaminana ireny”,   araka ny fanazavan’Atoa prefen’ny polisy omaly raha nanontanian’ny Tia Tanindrazana izy.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT