Eo am-pikarakarana tanteraka ny seho fampahafantarana ny rakikirany vaovao izao i Princio, mpanakanto malaza amin’ny fiangaliana ny vazo miteny.
“Paradisa” no anarana nasalotra ny rakikirany, izay mirakitra hira 12. Naharitra telo taona teo ho eo ny nikotrehany azy ity, noho ny asa aman-draharaha. Teo ihany koa ny faniriana hanao zavatra tsara sy matotra ka naleon’ny mpanakanto nandeha tsikelikely tao anatin’izany fikarakarana izany. Hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny 27 Martsa ho avy izao mandritry ny fampisehoana miavaka hatolony ny rakikira. Etsy amin’ny Dome Rta ary no hotanterahina ny ny fampisehoana izay hanasany ny mpankafy rehetra. “Concert de promotion” moa izy ity raha fehezina amin’ny teny vahiny ary hanomboka amin’ny fito ora hariva eny an-toerana. Hisy mpanakanto malaza maro tsy ampoizina ihany koa mandritra ny fotoana raha ny fanazavan’ny mpanakanto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.