Loisirs

Parc Tsimbazaza Mbola tena mahasarika mpitsangantsangana


  • Talata 07 Aprily 2015

Mbola mahasarika mpitsangantsangana be hatrany ny valanjavaboarin’i Tsimbazaza rehefa fotoanan'ny paska tahaka izao.

 Vao tamin'ny 5 ora maraina omaly teny an-toerana dia tazana nisy olona nilahatra ary tsy nitsahatra ny fidirana tao raha tsy tamin'ny 12 ora antoandro tany ho any. An'arivony ireo olona tonga teny an-toerana raha ny tombatombana izay marihina fa nitondra ankizy madinika avokoa.Na izany aza mbola nanano sarotra ihany ny fidirana tao. Efa novahana avokoa mantsy ny vavahady rehetra saingy tsy ampy nandraisana ireo mpitsangatsangana hatrany izany. Ny voay, ny ragidro tamin'ny ankapobeny no tena nahasarika ny ankizy. Marihina moa fa tena nafotaka tokoa ny fitadiavana fiara nandroso sy niverina omaly noho ny hamaroan'ny mpandeha.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT