Namoaka logiciel vaovao indray ny Softwell etsy Ankadindramamy. “Sage i7” no anarany, izay nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly.
Azo ampiasaina amin’ny finday sy ny tablette avy hatrany ity logiciel ity raha tamin’ny solosaina no nahazatra ny rehetra hatramin’izay. Maharakotra ny asa tanterahina rehetra eny anivon’ny orinasa izy io. Raha araka ny fanazavan-dRanaivoson Harinierana, tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny Softwell dia efa manana ilay fandaharan’asa Sage graine de gestionnaire ihany koa izy ireo amin’izao izany hoe : mampianatra maimaimpoana io logiciel io ny mpianatra eny anivon’ny sekoly toy ny INSCAE, ny ISCAM ary ny Ankatso entina hanalana fahasahiranana ny orinasa. Tanjona ho an’ity farany, hoy izy ny hananana mpianatra mahay no sady entina hanampiana ny orinasa ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.