Loisirs

NY RANDRANTELO Hametraka ny toerana amin’ny maha tarika azy amin’izay


  • Alarobia 27 Mey 2015

Hametraka ny toerany amin’ny mahatarika azy amin’izay Ny Randrantelo. Ny zoma 29 mey hariva ho avy izao no hanehoany izany izay sady ivon’ny fankalazana.

 

 “Cabaret concert” no hatao amin’izany haharitra ora efatra eo ho eo, lanonana hotanterahina eny amin’ny Espace Nambinintsoa Talatamaty. Manodidina ny 40 isa ny hira hovetsoin’izy ireo amin’izany, fotoana iray entin’izy ireo hankalazana ny fetin’ny reny ihany koa. Azo hitarafana ny dimy taona ho avy sahady ny zavatra ho hita mandritra io fampisehoana io, araka ny fanazavan’izy telo mirahavavy tamin’ny mpanao gazety, omaly. Tafiditra ao anatin’izany ny fidiran’i Mahandry ao anatin’ny tarika sy i Hoby amin’ny lafiny fitendrena. Hanampy azy ireo amin’izany i Tatamo Razafindrakoto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT