Loisirs

Ny 8 martsa, Ny tantarany sy ny tena dikany


  • Talata 09 Martsa 2010

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny valo martsa. Raha ny tantarany manokana kosa dia taorian’ireo fihetsiketsehana maro nataon’ireo vehivavy tany Eoropa sy Etazonia ny voalohandohan’ny taonjato faha roapolo no nipoirany.

 Fitakiana fitovian-jo sy fitondrana mendrika sy ara-drariny ireo vehivavy rehetra maneran-tany no anton’izy ireo tamin’izany. Fitakiana anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahazoana mifidy. Tamin’ny taona 1977 kosa no neken’ny « Nation Unies » tamin’ny fomba ofisialy ny fangatahana ka noraiketina ho andron’ny vehivavy manerana izao tontolo izany ny andron’ny 8 martsa. Tamin’io taona io no napetraka fa andro entina hankalazana ny zon’ny vehivavy eran-tany ary ny 8 martsa. Araka izany dia misy fankalazana sy fihetsiketsehana karakarain’ireo fikambanam-behivavy eran-tany isaky ny tonga io daty io. Na izany aza dia mbola maro ireo vehivavy iharan’ny famoretana sy ny herisetra, anisan’izany ireo vehivavy karana sy arabo sasantsasany sy ireo vehivavy afrikanina izay mbola iharan’ny fandidiana mahatsiravina tahaka ny didifoitra izay mamotika sy manimba ny vatany, manginy fotsiny ny fanaintainana sy ny takaitra entiny.

Fankalazana teo amin’ny Malagasy.

Tsy very anjara amin’izany ihany koa ny Malagasy. Fankalazana anisan’ny hita tetsy amin’ny Malacam Antanimena omaly ny fihetsiketsehana niarahana tamin’ireo vehivavy maro avy amin’ny lafy valon’ny nosy. Vadina manamboninahitra maro no tonga nanotrona ny hetsika ka anisan’izany Rtoa Mialy Rajoelina izay nitsidika manokana ireo tranoheva  nitsangana teny an-toerana nandritra ny fankalazana. Anisan’ny nankalaza ny 8 martsa ihany koa ny AFT Andavamamba. Nanomboka omaly izany ary tsy hifarana raha tsy ny 20 martsa ho avy izao. « Couleur femme », ino lohahevitra novoizin’ny eny an-toerana ka nanomboka omaly ny fampirantiana ireo poezia nosoratan’ireo mpandray anjara tamin’ny fifaninanana asa soratra ho fankalazana ny andron’ny vehivavy. Lasa aloha kosa ny fankalazana notanterahin’i Volatiana sy ny fikambanana « Talenta Meva », fikambanan’ny artista vehivavy eto Madagasikara.
Cabaret Goavana no notanterahin’izy ireo ny zoma 5 martsa lasa teo ka manamboninahitra maro no nanotrona teny an-toerana. Minisitra  maro no hita teny an-toerana toy ny minisitry ny fambolena sy ny jono…. 30 000 Ariary ny vidim-pidirana. Fahombiazana tanteraka no hita tamin’ny hetsika. Lady’s night kosa no natolotra ireo andriambavilanitra ny sabotsy ka nomena lanja manokana izy ireo teny an-toerana. Raha ny fankalazan’ireo vehivavy tsirairay avy kosa no nohadihadiana dia tahaka ny  isan’andro ihany ny andro omaly. Nanao ny asany toy ny mahazatra ireo renim-pianakaviana.

Luciana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT