Eo am-panatontosana fitetezam-paritra i Njakatiana amin’izao fotoana ka anisan’ny fampisehoana tafiditra ao anatin’izany ilay hotanterahina eny amin’ny «Club Nautique» Ivato mandritra ny alatsinain’ny Paska.
Arakaraka ny mpijery tonga no fisafidianana ireo hira atolotra isaky ny fampisehoana, hoy ny mpanakanto. Maro be rahateo moa ireo hira ka tsy ho vita ao anaty fampisehoana iray avokoa. Mikasika ireo fampisehoana any ivelany indray dia nanambara ny tenany fa tsy hijanona ela any ivelany rehefa tonga ny fotoana hanatontosany izany fa hiezaka hiverina haingana eto an-tanindrazana. Efa misy ihany koa ny hira vaovao izay mitondra ny lohateny hoe : «Alamino amin’izay».
Raha nanontaniana mikasika ny tsiambaratelon’ny fahombiazany i Njakatiana dia nanazava fa ny fanajana ny zavatra natao hatrany am-boalohany no tokony hipetraka voalohany. Tsy fanao ny mivadika amin’ny nahafantaran’ny mpankafy na dia ilaina aza ny fivoarana isan’andro sy ny ezaka entina mampandroso sy manatsara hatrany ny mozika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.