KASSAV le 23 à Mahamasina
ROSSY le 26, toujours à Mahamasina
Tena zava-marina ve sa dokambarotra mba hanintonana ny olona sy hanadinoany ny fahasarotan’ny fiainana ny fampanantenan’ny HAT, ary navoaka an-gazety tamin’ity herinandro ity fa hisy mpanakanto malaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tsy latsaky ny 5 ho avy eto Madagasikara, hampifaly sy hampitotorebika ny vahoaka Malagasy amin’ny fetin’ny fahaleovantena ? Izany no fanontaniana manomboka tsy afaka am-bavan’ny maro ary hiadiana hevitra etsy sy eroa amin’izao fotoana. Tena goavana tokoa mantsy ary manana ny maha izy azy eo amin’ny seho an-tsehatra iraisam-pirenena ireto mpanakanto ambara fa ho avy eto amintsika ireto. Eo ohatra i Céline Dion, Britney Spears, Chrisitina Aguillera ary Whitney Houston. Ny manaitra kely amin’ity resaka ity anefa, rehefa natao ny fanadihadiana dia mitondra vohoka eo amin’ny fahefa-bolany amin’izao fotoana i Céline Dion, ary efa hatry ny ela no niandrasany io zanany faharoa io. Koa moa ve mbola ho vitany ny ho avy aty Madagasikara hanao fampisehoana ?
Izy rahateo tsy hoe mbola tovovavy kely fa azo lazaina hoe efa nahazoazo taona ihany. Efa niara-nahalala tamin’ny alalan’ny vaovao maro avy any ivelany sy ny resaka amin’ny internet ihany koa fa tsy salama tsara noho ny fisotroana toaka sy fidorohana zava-mahadomelina i Whitney Houston, ary manaraka fitsaboana matetika. Ka amin’ny fomba ahoana no ahatongavany eto afaka roa herinandro ? Manampy izany rehetra izany dia ahoana marina ny fandoavana ny karaman’ireo mpanakanto ireo ? Avy aiza marina ny vola ? Misy vidim-pidirana ve ? Ohatrinona izany ? Sa tsy handoavam-bola avokoa ny fampisehoana rehetra ? Ny mampanahy ny olona dia sao ho tahaka ny tamin’ilay hoe fiavian’ilay tarika mpiangaly mozika rock Alemana « The Scorpions », roa taona lasa izay indray ity resaka ity. Nisy mihitsy mantsy tamin’izany ny filazana fa efa avoaka ny tapakila, saingy nilaza indray avy eo ny mpikarakara fa tsy raikitra ilay fampisehoana. Fa ny tena mahasadaikatra ny ankamaroan’ny nandre ity vaovao ity koa dia ny hoe fetin’ny fahaleovantenan’ny Malagasy ve dia mpanakanto vahiny no antsoina sy handaniana vola be amina miliara ? Maninona raha ireo mpihira sy mpiantsehatra maro be eto amin’ny tanàna no antsoina sy tohanana ka zaraina io vola be io !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.