Hetsika goavana indrindra eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika malagasy ilay “rencontre national du film court” andiany fahadimy tontosaina etsy amin’ny CCAC Analakely.
Tsy ny mpankafy sarimihetsika irery akory no mahazo tombony amin’ity hetsika ity fa ao ihany koa ireo tanora miofana sy mitady fiofanana. Tanora maro avy eny Ankatso, sampana teny aman-tsoratra frantsay mantsy no nanolo-tena hiofana maimaimpoana eny an-toerana, handray anjara mavitrika amin’ny fanatontosana sy ny fandaminana ny hetsika. Araka ny fanazavan-dRakotoarisoa F. Angelo dia nanampy betsaka azy tamin’ny fitadiavana fiofanana ity hetsika ity satria dia fenon’izany ireo 25 ora tsy maintsy hanaovana andrana. Tsy fiofanana fotsiny ihany anefa ho azo nandritra izay, hoy Randrianandrasana Sanda fa nisy zava-baovao nanita-tsaina sy nampisokatra tamin’ny tontolo hafa mahaliana ihany koa. Ralaimihoatra Nantenaina (Nathan) kosa dia nahatsapa fa nahazo tombony manokana tamin’ny alalan’ity fiofanana ity. Saika nahitany zava-baovao avokoa ireo hetsika rehetra anisan’ny nanamarika azy tamin’izany ireo atrikasa sy famelabelarana sy ny fanakianana sarimihetsika izay niarahana tamin’i Olivier Barlet, ary ny “Ti’kino”, hetsika andefasana sarimihetsika mandritry ny 72 ora tsy an-kiato. Raha fehezina dia sady nahazo fiofanana ireo tanora nandray anjara no nahita zava-baovao. Fiaraha-miasan’ny oniversite, sampana teny aman-tsoratra sy ny CCAC rahateo moa no nahafahan’ireto tanora nandray anjara tamin’ny hetsika ary mahazo solon-tsakafo tsirairay avy izy ireo. Tian’ireto mpianatra hatrany ny maneho fisaorana mitafotafo ny mpampianany izay nahafahan’izy ireo nahita ity fiofanana ity. Mampirisika ny tanora ihany koa izy ireo mba hitodika amin’ny ho avy ary tsy hipetrapetra-poana fa ahitana zava-tsoa ny toetra tia karokaroka sy mahay mandray andraikitra.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.