Loisirs

Mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina Manantena filaminana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Tsikaritra nandritra ny androm-pifidianana omaly ireo teratany vahiny manara-maso ny fizotry ny fifidianana. Mijery akaiky ny fikarakarana sy ny fizotran`ny fifidianana izy ireo toy ny iraisam-pirenena, ny vondrona eoropeanina, vondrona afrikanina, vondron’ireo tany mampiasa ny teny frantsay (OIF), ny SADC, …

 

 

 

Anisan`ny antoka haneken`ny iraisam-pirenena ny fifidianana ny fisian`ny mpanara-maso vahiny ka nanatevin-daharana ireo fiarahamonim-pirenena efa manana traikefa amin`izany. Mizotra am-pilaminana amin'ny ankapobeny ity fifidianana ity, hoy i Cristian Preda, solotenan`ny Vondrona Eoropeanina, na dia nisy aza zavatra madinidinika azo kianina izay tsy dia nampiova zavatra firy anefa. Manantena izy fa hahay hitandro izany filaminana izany ny rehetra mandra-pivoakan`ny valim-pifidianana ary mba samy haneho fahendrena ny rehetra ka miandrandra ny hisian`ny fifidianana ao anatin`ny fitoniana ny tenany. Ho an`ny Vondrona Eoropeanina manokana dia nandefa mpanara-maso ny fifidianana hiparitaka manerana ny Nosy ary hitohy hatramin`ny fihodinana faharoa. Mpitsapa ny halalin`ny rano ny vahiny ary sarotiny amin`ny maha mpiara-miombon`antoka. Tsiahivina fa nanatanteraka fihaonana manokana amin`ireo kandidà sasany hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena ireto mpanara-mason`ny fifidianana ireto. Mahakasika izay dia tsy nisy nipika ny resaka fa azo heverina ho nifototra tamin`ny fanadihadiana momba an`ireo lesoka mety hiteraka olana eo amin`ny fanantanterahana ny fifidianana filoham-pirenena ny adihevitra. Tsara manamarika fa ny 09 novambra izao dia hisesy ny fanaovana tatitra mahakasika ny fizotran`ny fifidianana ataon`ireo mpanara-maso vahiny ireo.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT