Misaona ny tontolon’ny zavakanto Malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany, tao an-tranony teny Andranonahoatra Itaosy ny alin’ny sabotsy 06 martsa teo, i Fanovona Jean Gabin fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto hoe : Vaovy sy ny feo beso migobona.
Efa narary an-taonany maro izy, ary niditra hopitaly matetika. Ny 27 febroary no nivoaka ny hopitaly dia izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Teraka ny 23 aogositra 1948 tao Ambovombe Androy i Vaovy. Mpanakanto feno, sady mpamoron-kira, no mihira no mitendry ihany koa. Mahatratra 300 any ny hira noforoniny hatramin’ny faha-17 taonany nidirany teo amin’ny habaky ny kanto. Nisy tamin’ireo no nohirainy toy ny “salakao”, “omeo rano” ary tao ny niarahany tamin’ny mpanakanto hafa. Ny “Groupe Artistique de l’Androy” (1965) no nisy azy raha namaky lay ny tontolon’ny hira. Efa mpitarika antoko mpihira protestanta ny tenany, izay niavaka tamin’ny rindram-peo ka anisan’ny nitsongana azy ho any Etazonia ny taona 1972. Ny taona 1974 no niforona ny tarika Vaovy, izay midika ho hazo mafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.