Loisirs

Mozika klasika Haneho ny talentany i Mireille Rakotomalala


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Vehivavy manan-talenta manokana amin’ny fiangaliana mozika klasika i Mireille Rakotomalala, nahazo mari-pahaizana sy diplaoma manokana avy amin’ny «conservatoire de Kiev» sy tany St Petersbourg. Nandrombaka ny laharana voalohany avy amin’ny «Conservatoire National Supérieur» tany Parisy ihany koa ny vehivavy ary fanta-daza na any ampita na eto an-toerana. Raha nanatontosa hetsika hanaparitahana sy hampahafantarana ny olon-drehetra ny hakanton’ny mozika klasika ny fikambanana «Madagascar Mozarteum» dia nisafidy ny hiara-hiasa aminy manokana ho fanokafana ireo hetsika fampisehoana amin’ny andro antoandro izay hisesisesy etsy amin’ny CCAC Analakely isam-bolana. Raha ny fandaharam-potoana atolotry ny mpanakanto kosa dia ireo sanganasan’i J S. Bach, F. Listz ary Fr. Chopin no hisongadina mandritry ny fotoana. Maimaimpoana tanteraka ny hetsika ka ao amin’ny trano fanaovana fampisehoan’ny CCAC ny fotoana ny 21 aprily amin’ny iray ora tolakandro.

Luciana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT