Fanomezana maro no hatolotry ny orinasa Star mandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny lalao baolina kitra tanterahina any Brezila ary arahana mivantana eto amin’ny Nosy, nanomboka ny alakamisy 12 jona alina. Eny amin’ireo toerana fanjifana ny vokatra Star rehetra no ahitana izany. Anisan’ny mampiavaka azy ity ny tokony hananan’ireo toeram-pilalaovana vata fahitalavitra lehibe. Ny loka mety ho azon’ny mpilalao amin’izany dia Bonus Echarpe noho ny toetr’andro efa mangatsiaka, ahitana Tee shirt, vera izay samy avy amin’ny Star avokoa. Haharitra hatramin’ny 13 jolay hifaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany ny lalao baolina kitra ity lalao karakarain’ny orinasa Star ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.