Raikitra fa ho afaka handray anjara amin’ny Miss Madagascar en France ny tovovavy malagasy manomboka amin’ity taona ity, hetsika voalohany nokarakarain’ny S’Angel Agency sy ny la sobika.
Hanomboka anio sabotsy 22 aogositra amim-pomba ofisialy ny fisoratana anarana amin’ny alalan’ny site-n’ny la sobika www.sobikamada.com. Tovovavy folo tsara tarehy indrindra isaky ny faritany no horaisina amin’izany hisalotra ny anarana “Miss de l’île rouge”. Ho an’ny eto Antananarivo dia kandida 1.000 no andrasana. Maromaro ihany ny fepetra takiana amin’izany. Tovovavy tsy latsaky ny 16 taona, nefa tsy mihoatra ny 33 taona. Tsy mbola niteraka, tsy manambady ary mirefy 1 m sy 65, mahay miteny gasy tsara nefa mahay miteny frantsay ihany koa sady mahafehy ny kolontsaina malagasy any amin’ny faritra misy azy no sady tsara fitondrantena. Ny 19 ka hatramin’ny 20 septambra ho avy izao no hanombohana ny fifantenana ho an’i Mahajanga. Hitohy ny 26 ka hatramin’ny 27 septambra izany ho an’Antsiranana, ny 3 ka hatramin’ny 4 oktobra ny ao Toamasina, ny 10 ka hatramin’ny 11 oktobra ny ao Fianarantsoa, ny 17 ka hatramin’ny 18 oktobra ny ao Toliara izay hifarana ny 22 ka hatramin’ny 25 oktobra ho antsika eto Antananarivo. Ny 31 oktobra no ho fantatra ny vokatra ka ny 2 novambra no hivoaka ny lisitr’ireo solontena telo amin’ny folo isaky ny faritany. Ny 7 novambra kosa no daty voatondro hanaovana ny fifaninanana farany raha ny 26 desambra any Paris.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.