Raha ny vokatra vonjimaika manerana an’i Madagasikara halina no jerena dia mitarika ny kandida laharana faha 25 Marc Ravalomanana, vokatra izay tsara ho marihana fa vokatra mbola tsy feno ary tsy ofisialy fa fanambarana ireo voka-pifidianana avy amin’ny faritra 22.
Nambara tamin’ny 2009 fa efa tsy tian’ny Malagasy sy naloam-bahoaka Atoa Ravalomanana, ary izay no nampiasana herisetra nanonganana azy; mazava anefa ny resaka 9 taona aty aoriana fa mpanao politika mbola tena manana ny maha izy azy eo imason’ny Malagasy ary atokisany mbola hitantana azy amin’ny 5 taona manaraka ity filoha mpanorina ny Tiako I Madagasikara ity…Mibaribary ihany koa fa na teto amin’ny faritanin’Antananarivo izay efa nifidy Ravalomanana hatrizay na any amin’ny faritra dia mananana ny olona resy lahatra aminy sy manohana azy i Dada. Tsy iadian-kevitra fa hatramin’ny 2002 ka hatramin’izao dia izy no manana vina sy fandaharanasa mifanaraka kokoa amin’ny filan’ny Malagasy sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara…. Mahatoky aho, hoy i Marc Ravalomanana, ary tsy mino loatra ny hisian’ny fihodinana faharoa izy. 18 amin’ny faritra 22 no efa azo ny vokatra, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana, ary mitarika izy, raha ny vokatra eo am-pelantan’izy ireo sy ny mpanara-dia. Ny fanantenako dia tsy hisy intsony ny fihodinana faharoa, fa io mbola miankina amin’ny valiny ofisialy. Mandeha ny fanangonana ny vokatra ho azy izay hampiasana angidim-by mihitsy. Nanangona ny Fitananana an-tsoratra tamin’ny alalan’ny hafatra fohy izy, ary farafahatarany anio amin’ny 8 dia azo daholo, hoy izy. Nampahatsiahy karazana zavatra mamohehitra, toy ny fanamboarana ny sariny tamin’ny “photoshop” nentina niantsoana ny olona tsy hifidy izy, ary efa fantatra ny nanao izany. Dia tsy mahafehy ny mpanara-dia aminy ve ilay kandida? hoy izy Miasa ihany koa ny “équpe juridique” mikasika an’ireny. Fandresen'ny Vahoaka : Mitarika i Dada... Tena miendrika ady masina ho an'ny fitiavan-tanindrazana ity fifidianana filoham-pirenena ity ary i Marc Ravalomanana no kandida avy amin'ny vahoaka ary mijoro sy sahy hiaro ny Malagasy izay masi-mandidy eto amin'ny taniny; afaka miara-miasa amin'ny hafa fa kosa tsy manaiky fanambakana sy fametsifetsena. Raha ny vokatra tsy ofisialy azo omaly, dia mitarika amin’ny isa mazava ny kandida Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.