Sivy taona katroka izay no nijoroan’ny tranom-pamokarana sarimihetsika Maxi Studio izay tantanan’i Volatiana. Ny sabotsy ho avy izao ny Maxi Studio, ahitana mpilalao sy mpikirakira ny lafiny teknika... no hikopak’elatra any Frantsa hanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny sarimihetsika. Anisan’ny hohalalinina amin’izany ny fomba fakana sary, feo, fandrafetana ny sary sy ny feo, famokarana dokambarotra ary ny goavana indrindra dia ny paikady hiadiana amin’ny fanaovana piraty.
Herin’ny tenan’ny "Maxi Studio" manokana ny ahafahana manatontosa ity fiofanana ity, hoy i Volatiana fa ny Ministeran’ny kolontsaina kosa no nanamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra. Tsiahivina fa efa niatrika fiofanana tahaka izao i Volatiana ny taona 2009. Hiara-dalana amin’ny fiatrehana ny fiofanana ihany koa ny fandraisana sary sy feo ny tantara "Solovaika III" izay tafiditra sahady amin’ny fampiharana izay horantovina mandritra ny iray volana any an-toerana. Hanamarika ny faha-10 taona nivazoany an-tsehatra ihany koa i Volatiana amin’ity taona 2011 ity. Tsangambaton’izany ny hamoahana kapila mangirana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.