Maty nisy nanendaka ny zoma 26 martsa lasa teo i Medicis Jean Marys Rabesiaka. Ny alin’ilay fampisehoana notanterahin’ilay tarika vahiny « The Shopping » tetsy amin’ny « Le Bus » Antanimena no nitrangan’ny loza. Raha handeha hody niaraka tamin’ny vadiny ny mpanakanto izay avy nanatrika ny fampisehoana dia voaendaky ny roa lahy izay nanatsatoka antsy azy, lasan’ireto tsy mataho-tody kosa ny poketran’ny vadiny. Niezaka ny hiaro tena sy hiaro ny vadiny mantsy ny mpanakanto ka voatsatok’antsy teo am-bavafony. Amin’ny alarobia ho avy izao no handevenana ity mpanakanto ity.
Mpanakanto malagasy malaza amin’ny fitendrena angorodao i Medicis Rabesiaka, mpanangana ny tarika izay mitondra ny anarany ihany koa. Tarika avy any amin’ny faritra atsimon’ny nosy izay nisongadina tamin’ilay fifaninanana notontosain’ny AFT Andavamamba ny tarika Medicis. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny fitendrena angorondao kosa ny lehilahy tamin’ny taona 2004 raha nandray anjara tamin’ilay fifaninanana nokarakarain’ny « Accor Unisson France ». Io fifaninanana io indrindra no nahafahany nisokatra tamin’ny any ivelany sy nanatanteraka fampisehoana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fampisehoana notanterahiny tany Frantsa, La Reunion, Seychelle ary Mayotte. « World Music », no gadona tena ahafantarana ny tarika ankoatra ny tsapiky, ny renitra ary ny gadona masikoro. Ny « Angorodao » no re miavaka ao anatin’ny sanganasan’ny tarika. Tsara ny mampahatsiahy fa nitsangana tamin’ny taona 1999 ny tarika, taona nandraisan’ny tarika anjara voalohany tamin’ny fifaninanana notontosain’ny Alliance Française tao Toliara izay nifampitohy tamin’ny fifaninanana notontosaina tetsy amin’ny AFT Andavamamba taorian’izay. Efatra no isan’ny mpikambana ao anatin’ny tarika tany am-boalohany, very olo-manga kosa izy ireo amin’izao fotoana.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.