Loisirs

Marc Ravalomanana Hamerina ny Hasin'ny Malagasy


  • Zoma 02 Novambra 2018

Tany amin’iny lalam-pirenena voalohany iny no nanaovany fampielezan-kevitra nihaonana tamin’ny vahoaka an-tapitrisany ny 31 oktobra teo dia tao Miarinarivo, Soavinandriana, Ambohimandry, Manazary, Imerintsiatosika, Ampitatafika,…

 

 

 Omaly 1 novambra kosa dia tany Ambohimiandra, Behenjy, Andranofito, Ambohibary, Soanindrariny, Ambohimiadana, Ambatolampy, Andranomanelatra, Andranofito, Ambohimandroso, Ambano, Ambatolampy... ka vahoaka an-tapitrisany no nandray azy. Tao  Soavinandriana sy Miarinarivo dia nasongadiny ny fanomezana asa ny tanora satria amin’izao fotoana izao dia tsy misy atao ny tanora ary tsy manam-bola ka manita-tsaina hangalatra sy hanao asan-jiolahy. Mba hanana fidiram-bola hentiny miatrika ny fiainany ka hisy ny fananganana orinasa no lalana amin’izany mba hisian’ny asa velontena na “activités génératrices de revenus”. Omena fiofanana ny mpampianatra sy ny tanora ka homena fitaovana vaovao momba ny TIC (Technologie de l’Inforamtion et de la Communication) izay  efa azo ampiharina amin’ny  teknika momba ny fambolem-bary koa aza,…  Nanome toky koa izy fa hamboarina ny lalana sy ny tsena ary ny tanàna mba ho mendrika ny mponina tany Ambohimandry. Nivoitra tao Ampitatafika tamin’ny kabarin’ny kandidà Marc Ravalomanana ny famerenana ny hasin’ny mpiasa (“fonctionnaires”  sy mpampianatra) izay tena hita fa tena sahirana tokoa amin’izao fotoana izao. Naseho ny vahoaka tao Ambatolampy ny “kits scolaires” sy ny solosaina hozaraina amin’ny mpianatra.  Nanome toky ny vahaokan’Ambohibary-Sambaina ny kandidà Marc Ravalomanana fa hamboarina ny lalana mampitohy an’Ambohibary sy Faratsiho. Tao Ambohimiadana dia nilaza izy fa “rehefa lany aho  dia haverina ny “cantine scolaire” satria maro ny ankizy no tsy misakafo maraina”, ary tsy adino ny resaka fandriampahalemana, fitsaboana,... Rehefa tapaka ny fanatanterahana ny MAP voalohany tamin’ny 2009 dia tsy maintsy natao ny MAP 2 mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana nahalatsaka ambany dia ambany ny fiainan’ny Malagasy. Tsy mitovy ny toeran’i Madagasikara talohan’ny 2009 sy ny taorian’ny fanonganam-panjakana, hoy izy. I Dada no tena hanavotra an’i Madagasikara fa tsy ireo izay nandetika azy akory”. Tao anatin’izay telo herinandro izay, dia toerana manodidina ny 150 no efa voatsidik’i Marc Ravalomanana, nanantonany ny vahoaka hatrany ifotony. Taorian’ny taona 2014 niverenany teto, dia toerana 246 no efa notsidihiny ankoatr’izany, izay nahitany fa mila haverina amin’ny hasiny ny firenena, mila famonjena ny vahoaka. Kandida akaiky ny Malagasy indrindra izy, ka na aiza na aiza aleha resy lahatra ny vahoaka, izay midika fa filoha afaka mampiombona ny rehetra sy tena mamerina ny hasin’ny tanindrazana i Marc Ravalomanana. Nahafantarana azy hatramin’izay ny hoe: “Ny Malagasy aloha”, ka sarotiny izy, raha ny mpiray tanindrazana aminy no hetraketrahina, isan’ny toetra tena hitiavan’ny Malagasy azy izany, izay tsy midika ho fankahalana vahiny araka ny voizin’ny sasany. Mila izay hambom-po miaro sy mitia ny tanindrazana izay ny Malagasy, fa tsy mpitondra hiray tsikombakomba amin’ny « mafia », ary toe-tsaina tahaka izany no nitiavan’ny vahoaka Amerikanina an’i Donald Trump tamin’ilay filamatra hoe : « America First » na Amerika aloha, raha handray ohatra isika.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT