Loisirs

Malokila 7 Hivoaka amin’ny sabotsy izao


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Miala any ny andiany faha-7 amin’ilay tantara mitohy mahatsikaiky Malokila nampitondraina ny lohateny “Malokila7”.

Amin’ny sabotsy ho avy izao no hivoaka ity horonantsary ity izay halefa avy hatrany amin’ireo trano fijerena sarimihetsika any Moramanga, Mahajanga ary Fianarantsoa.105 minitra ny faharetany. Ny alahady 7 martsa no hahita azy ireo mpankafy ny sarimihetsika Malagasy eto an-drenivohitra sy Toamasina. Marihina fa mbola eo am-panatontosana ireo “scène» farany ireo mpilalao sy ny mpanatontosa ankehitriny araka ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo. Efa hatramin’ny volana desambra kosa no nanomboka ny fakana ny sary sy feo izay nipaka hatrany Ankadivoribe.

Misongadina ao anatin’ity tantara ity ny niakaran-dRajao ho eo amin’ny toeran’ny diakona sy ny fitsikafonany ny tsiambaratelon’ny pasitera izay nafeniny nandritra izay fotoana maro izay. Eo koa ny fitohizan’ny fifanjevon’i Bakoly sy Landy eo amin’ny lafiny ara-pitiavana.
 
 
Yves   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT