Fanomezana atolotry ny orinasa Scoop Digital ny Malagasy amin’izao ankatoky ny fankalazana ny tsingerintaona faha-50 ny fiverenan’ny fahaleovantena izao ny horonantsary “Malok’ila 8 jours en France”.
Rahampitso sabotsy 12 jona no handeha voalohany eto an-drenivohitra sy Toamasina ny tantara eny amin’ny Cinéma Ritz sy ny Cinéma Rex. Hifanesisesy ny fitetezam-paritra aorian’io ka fampisehoana 300 no hotontosaina manerana ny Nosy ka famandrihan-toerana ny 100. Araka ny lohateniny dia misy tamin’ny ampahany maro amin’ny tantara no notontosaina tany Frantsa, tany Parisy sy Montpellier izay nandray ny RNS farany teo. Niampy telo ireo mpilalao fototra tamin’ity andiany faha-8 amin’ny Malok’ila ity ary misy mpilalao vahiny iray ihany koa. Tanjon’ny orinasa ny fisokafana hatrany amin’ny tsena iraisam-pirenena ka nasiana dikan-teny amin’ny fiteny frantsay ny tantara. «Efa misokatra koa izao ny tranokala mba ahafahana mivarotra ny vokatra any ivelany any satria saika olona mandalo no mba ahazoan’ny Malagasy any ivelany ny horonantsary kanefa liana avokoa izy ireo», hoy i Mamitiana, Tale jeneralin’ny Scoop Digital. Sarimihetsika lafo indrindra tamin’ireo notontosain’ny Scoop Digital ity farany ity satria nahatratra 80 tapitrisa ariary ny tetibola natokana tamin’ny fanatontosana azy, izany hoe avo roa heny raha oharina amin’ireo teo aloha rehetra. Maharitra 105 minitra ny faharetany ka mbola dinihana na havoaka VCD 2 na atao DVD ny “Malok’ila 8 Jours en France”. Raha ny nambaran’i Mamitiana dia tsy latsaky ny 1 hetsy ireo horonantsary hatonta izay amidy 4.000 ariary raha 10 euros kosa ny any ivelany. «Mitady izay fomba rehetra izahay hitazona io vidiny mahazatra io na dia ambony dia ambony aza ny masonkarena».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.