Loisirs

Malagasy Tonga Saina Ny fihavanan’ny Malagasy no antoky ny filaminana


  • Zoma 28 Janoary 2011

Iray amin’ireo soatoavina 12 novolavolain’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) ka iriany hanjaka eto amin’ny firenena ny fihavanana. Mila manjaka eto Madagasikara ny fihavanana mba hisian’ny filaminana maharitra araka ny tarigetrany.

Resy lahatra ny MTS araka ny nambaran’i Maso José, mpandrindra nasionalin’ny antoko sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, fa noho ny tsy fisian’ny fihavanana sy ny fifamelana eo amin’ny mpanao politika no mampikatso ny fananganana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena. Nanteriny anefa fa io famintranam-pihavanana io ihany no lalàna tokana ivoahana amin’ny krizy ary efa nahitana porofo rahateo ny fahombiazany. “Nisy fotoana samy niziriziry tamin’ny heviny ny FAT sy ny Ankolafy Telo saingy nisy ny fifanatonana teo amin’ny antoko vitsivitsy izay samy hafa fijery izay nitarika tamin’ny fananganana ny ESCOPOL ka niafara tamin’ny fametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana ankehitriny”, hoy hatrany ity mpandrindra nasionalin’ny MTS ity. Tsy ny mpanao politika irery ihany anefa no mila mihavana raha ny hevitry ny antoko fa izay rehetra zarazarain’ny hevitra tsy mitovy.

Izay indrindra no antony nanatontosany ilay hetsika “Fihavanana Tour” tany amin’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo ary Boeny tamin’iny taona 2010 nivalona ary mbola hoentina mitety an’i Madagasikara iray manontolo. Any amin’ny renivohitry ny faritra DIANA indray ny manaraka amin’ny 12 febroary izao. Asainy hanatrika ny lanonana amin’izany ireo olona miray hevitra hampihavaniny. Nampanantena moa i Todisoa Ramanantsoa, mpandrindra ny MTS eto Analamanga fa avela ny resaka politika politisiana mandritra ny “Fihavanana Tour” fa ny fitoriana ny firaisankina sy fifankatiavana no hibahan-toerana.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT