Loisirs

Malagasy Gospel Hiverina any Soisa indray


  • Alarobia 14 Mey 2014

Hanatontosa fampisehoana maromaro any amin’ny tanànan’i Zurich sy Genève any Soisa indray ny tarika Malagasy Gospel amin’io volana jona io mandritra ny roa herinandro hijanonany an-toerana.

 Efa nanatontosa hetsika tany moa izy ireo tamin’ny taon-dasa. Marihina fa zazavavy niaina tao anatin’ny jaly sy fahasahiranana no mandrafitra ny tarika ary hafatra mampitraka sy mitaky ny fanajana ny zo no fonosin’ny sanganasany. Mampiavaka azy ireo sady nambabo ireo mpijery hatrizay ny hakanton’ny feony sy ny fahaizany mampiara-peo, eo koa ny dihy Malagasy avy any amin’ny faritra atsimo ary ny fomba fiakanjo maneho ny faritra fiaviany. Hira vaovao no handrafitra ny ankamaroan’ny seho hataony any Soisa. Mitantara ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao Malagasy ireo sanganasa ireo. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT