Maitre Gims

> Hanao fampisehoana eny Bemasoandro


  • Alarobia 20 Novambra 2013


Mpanakanto frantsay anisan’ny malaza amin’izao fotoana ny Maitre Gims. Ao anatin’ny fitetezany an’i Afrika dia hanao fampisehoana iray eto Antananarivo ny tenany amin’ny zoma 6 desambra ho avy izao ka eny amin’ny kianja Bemasoandro Itaosy no ifamotoanany amin’ny vahoaka. Hizara roa ny fampisehoana ka ny tapany voalohany dia hafanain’ireo zanaky ny faritra Atsimondrano amin’ny alalan’ny hetsika samihafa toy ny hira gasy, ka hanomezana vahana ireo tanora vao misondrotra. Hisy ihany koa ampaham-potoana iarahan’ny rehetra mankafy Zumba. Ny fikambanana Ezaka Atsimondrano no mpikarakara ny hetsika ka entina hanatanterahana tetikasa fanasoavana ny vahoaka ny vola azo amin’ny fampisehoana, hoy i Vony Robelina tomponandraikitra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT