Sambany no hotanterahina eto amintsika ilay hetsika fialamboly Magic land hiarahan'ny ray aman-dreny amin'ny zanany haharitra efatra andro.
Eny amin'ny CCI Ivato no hanatontosana izany ny zoma 22 ka hatramin'ny alatsinainy 25 mey ho avy izao, manomboka amin'ny 9 ora maraina. Ny Tiboo Event Agency no mpikarakara ny hetsika. Tanjona ny hahafahana mampiala voly ny mpianakavy anatin'ny fotoana mahavitra amin'ny sarany natao ho zakan'ny rehetra. Karazana fialamboly manodidina ny 20 isa no ho hita mandritra izany raha araka ny fantatra izay misy ho an'ny ankizy vao herintaona ka hatramin'ny 18 taona. Toraka izany koa ny ray aman-dreny toy ny fikarakarana vatana ho an'ny vehivavy... Misy ny sakafo natao ho an'ny rehetra. Toraka izany koa ny toerana natao hitaizana ireo zaza madinika tsy mbola mandeha...
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.