Mbola tena mampidelira an’ireo mpankafy ny kanto malagasy mihitsy ny seho an-tsehatra nasehon-dry Lôlô sy ny tariny sy ry Mahaleo tamin’ny ankapobeny.
Tena tsy nahatan-damba ara-bakiteny mihitsy ireo mpijery nameno hipoka an’Antsonjombe nanaraka an’ireo hira tsy afaka am-bavan’ny rehetra hatrizay. Mbola miandry an’ilay Dimbaka avy any Nazareta tokoa ny rehetra raha ny zava-nisy teny an-toerana no jerena. Ary tena tsy hadinon’ny rehetra izany Lemizo nahazo ny “bis” izany. Gagagaga ihany Antsonjombe ela tsy nahita an’i Lôlô, indrindra niaraka tamin’ny namana vaovao avy any am-pitandranomasina lahy sy vavy. Gagagaga ihany koa i Lôlô nahita an’Antsonjombe tena vao mainka miraikitra amin’ny fankafizana azy sy ny tariny. Tsy latsa-danja koa anefa ry Mahaleo fa ara-bakiteny koa ny nihiran-dry zareo ny hoe : “lasa ny mamba dia misosoka ny voay” fa aza misy miala ry Madagasikara. Zoky mampiady kalo, ny zoky zoky ihany e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.