Ho fanohizana ny asa soa izay efa notanterahin’izy ireo tao anatin’ny fito taona dia hikarakara hetsika fitadiavam-bola indray ny fikambanana Lions Club Avotia ny 24 sy ny 26 aprily ho avy izao.
Hiarahany amin’ny tarika Lôlô sy ny tariny izany miaraka amin’i Farah ilay tovovavy malagasy hany tokana mpiara-mihira amin’izy ireo. Hosantarina etsy amin’ny garan’i Soarano izany ny 24 Aprily manomboka amin’ny 7 ora hariva. Haharitra ora roa mahery ny fampisehoana amin’ny sarany 50.000 Ar isan’olona. Hitohy any amin’ny label village Arivonimamo kosa ny tontolo andron’ny 26 aprily entina hanomezana fahafaham-po ny fianakaviana. Fitsangantsanganana arahina fampisehoana no hatao amin’izany, manomboka amin’ny 10 ora maraina, horavahan’ny fiarahana mihira amin’ny tarika, ny fakana sary…. Tsy misy atahorana ny fitaterana raha araka ny fazavana. Hisy ny fiaraha-miasan’ny label village amin’ny koperativa Kofitsiro amin’ny fitaterana ny olon-drehetra mandra-pifaran’ny lanonana. Marihina moa fa anisan’ny anton-dian’ity tarika ity eto an-tanindrazana amin’izao ny hanampy ireo traboina vokatry ny tondra-drano.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.