Loisirs

Le Pharaon Ambohidahy Ambohi-pihaonan’ireo mpanakanto


  • Zoma 26 Febroary 2010

Alina miavaka no hita ny alarobia alina lasa teo tao amin’ny Le Pharaon Ambohidahy. Ireo artista malaza tahaka an’i Tafita, Elie Cynthia, Bakidy Gegette, Dah Mama, Njakatiana, Ndondolah sy ny maro hafa tsy voatanisa no hita teny an-toerana.

 

“Soirée Discothèque » niarahana tamin’ny DJ Angel du Pharaon kosa no nanafana ny fotoana. Fanasana manokana, hoy ireo mpanakanto no nahatongavanay ary mahafa-po ny fandraisana sy ny toerana nandraisana anay. Hita taratra nandritra izany ny firahalahiana, ny fiaraha-miasa ary ny fifanajana misy eo amin’ny samy mpanakanto. Nanambara kosa ny mpikarakara fa hiezaka hanao zavatra tsara hatrany ary hanakaiky bebe kokoa ny mpanakanto sy ny tontolony. Maro ireo mpanakanto tsy tratra antso araka ny fanazavana noho ny fisian’ny olana teo amin’ny sehatry ny fifandraisana. Mampanantena moa izy ireo fa vonona izay mety ho lesoka. Alina nilamina sy nirindra, tsy nisy korontana kosa no notontosaina teny an-toerana. Toa izany ihany koa ny “cabaret” omaly alakamisy niarahana tamin’i Roseline, zanaka vavin’i Jaojoby, ilay mpanjakan’ny salegy.

Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT