«Efa niady mafy isika vao tafiditra amin’ny dia ataon’ny tarika Kassav hanafana ny fety eto Toamasina ny 25 jona alina». Izay no teny nataon’ny teo anivon’ny mpikarakara ny fetin’ny tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovantena ho an’i Toamasina I sy ny faritra atsinanana.
Aorian’i Mahajanga ny alakamisy 24 alina izany, dia i Toamasina I no handray ny tarika. Eny amoron-dranomasina misy ny fanentanana amin’ny alalan’ny “podium” no hanaovana ny lanonana ny zoma 25 jona io.
Araka ny fandaharam-potoana ihany koa, dia tarika maro avy ao Toamasina, ireo tranainy sy ireo kalaza ary ireo vao misondrotra no hanafana ny lanonana ny tontolon’ny tolakandron’ny zoma ity mialoha ny hidiran’ny tarika Kassav. Ankoatra izay dia hisy koa ny diabe atao ho an’ireo ankizy hanao ny arendrina ka isaky ny Boriborintany ny fiaingana, hitety ireo fokontany niaviany avy ary eny amoron-dranomasina manoloana ny araben’ny fahaleovantena ny farany. Raha ny fandaharam-potoana momba ny afomanga kosa, dia haharitra adiny iray izany, nefa tsy mbola fantatra mazava ny tena anaovana azy, satria ny komity milaza amin’ny fandaharam-potoany fa ny zoma alina no hanaovana azy, ny lehiben’ny Faritra Atsinanana kosa niteny fa mba hitoviana amin’ireo distrika fito mandrafitra ny faritra, dia hatao ny sabotsy alina ny fandefasana ny afomanga. Ny antony amin’io fotoana io no tsy maintsy tonga any amin’ireo distrika lavitra ny anjarany.
Ny mpitandro ny filaminana kosa tamin’ny alalan’ny kaomisera misahana an’i Toamasina I, dia nilaza fa efa vonona ny mpitandro ny filaminana eo ambany fifehezany hanao izay hahatomombana ny filaminana, indrindra ireo mikasa ny hivoaka hamonjy fety amin’ny tahotry ny vaky trano sy ny vono olona ary ny fanendahana. Etsy ankilan’izay mifanome tanana amin’izy ireo koa ny zandary sy ny miaramila amin’ny fandaminana izay mety ho korontana hitranga mandritra ny fety rehetra atao. Toamasina rahateo raha ny zava-misy toa tsy mandry fahalemana izay ihany, satria mandrahona ny atsy, mampitandrina ny aroa noho ny olana ara-tsosialy sy ara-politika ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.