Loisirs

Lalao Tia Tanindrazana 5 taona Lasan-dRanaivo Ronald ny “Home Cinéma”


  • Alarobia 11 Jona 2014


 Tontosa omaly tao amin’ny foiben-toeran’ny gazety Tia Tanindrazana ao Soanierana ny fanolorana ny loka ho an’ireo dimy tsara vintana tamin’ny fisarihana andiany faharoa amin’ny lalao tafiditra amin’ny faha-5 taonan’ny gazety Tia Tanindrazana natao ny 31 mey 2014. Nibata ny loka voalohany “Home cinéma” tamin’izany Atoa Ranaivo Ronald, izay mpamaky tsy tapaka ny gazety Tia Tanindrazana hatramin’ny taona 2009 nivoahany. Faly izy fa dia nisy valiny ny fankafizany ity gazety ity. Milamina ny azy ny Mondial amin’ity. Samy nibata “Four à micro-ondes” avy kosa Rtoa Andriamiharisoa Berthine Lys sy Ravaomihamina Julie Flore ary Razafindranaivo Alexis ary “Lecteur video portable” ho an-dRtoa Saholiarisoa Odile. Amin’ny 28 jona indray ny fisarihana manaraka. Mandray anjara amin’ny fisarihana hatrany ireo tsy mbola voasarika miampy ireo tapakila marina voaray mialoha io fotoana io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT