Loisirs

Lalao «Tia Tanindrazana 5 taona» Lasan-dRaharijaona Njara Fiadanana ny fiara «Cherry QQ 3»


  • Alatsinainy 15 Septambra 2014

Tontosa ny sabotsy teo tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fisarihana farany tamin’ilay lalao goavana tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny gazety Tia Tanindrazana.

Raharijaona Njara Fiadanana no nahazo ny loka goavana dia ilay fiara «Cherry QQ 3» izany. Tsiahivina fa ny volana aprily lasa teo no nanomboka ny lalao sy ny fisarihina ary loka maro no nozaraina isam-bolana nandritra izany. An-tapitrisany ireo olona nandray anjara tamin’ity lalao ity satria dia nahatratra 1.200.000 be izao ireo tapakila voaray tao anatin’ny enim-bolana nisian’ny lalao ka 700.000 ireo nahita ny valiny marina nandray anjara tamin’ny fisarihana io sabotsy io. Manaporofo izany fa misy ny fifampitokisana eo amin’ny gazety Tia Tanindrazana sy ireo mpamaky azy nandritra izay dimy taona nisiany izay. Nialoha ny fisarihina ny fiara moa dia mbola nisy ihany koa ny fisarihina ny ny vatsim-pianarana mitentina 3 tapitrisa Ariary ahafahana mianatra ao amin’ny Oniversite momba ny Informatika IT University etsy Andohoranofotsy, ka Rajaonarisoa Rivoarinala Herihaja no nahazo izany. Marihina fa eny amin’ny foiben’ny Vidy Varotra misy ny  gazety Tia Tanindrazana eny Soanierana no hangalana ny loka sy hanolorana azy amin’ny fomba ofisialy ka mbola hampafantarina eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ihany ny mahakasika izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT