Loisirs

Lalao Tia Tanindrazana 5 taona Farany vao nisy ventiny


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Tapitra omaly talata 9 septambra ny fandraisana an’ireo tapakila fandraisana anjara amin’ny Lalao Tia Tanindrazana 5 taona. Nifarimbona farany tamin’ny fitsarana ireo tapakila azo koa omaly ireo mpiara-miasa ato amin’ny Tia Tanindrazana

Fitsarana farany koa ity natao ity mialoha ny fisarihana goavana hahazoana ilay fiara Cherry QQ saingy farany vao nisy ventiny satria maro dia maro tsy tahaka ny teo aloha ireo tapakila voaray fa efa zatra miandry farany sy miandrandra io loka goavana io ny rehetra. Nahazoana tapakila ny Faritra maro mandray sy mamaky ny Tia Tanindrazana. Nisongadina tamin’izany Antsirabe sy Toamasina ary Mahajanga. Tao koa Fianarantsoa sy Ambositra ary Fandriana, i Manakara sy Moramanga, Toliara ary Ambatondrazaka, ankoatra ny manodidina an’Antananarivo sy ny Faritr’Itasy iray manontolo.  Dia miandry ny andro sabotsy ho avy izao hanaovana ny fisarihana goavana isika mianakavy ary hifamotoana eny amin’ny hetsika SIM etsy amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT